<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>787</hymn_number>
<title>Izay mahakolokolo no manana ny soa FFPM787</title>
<lyrics>[V1]
 Izay mahakolokolo
 No manana ny soa ;
 Zahao ny tanimboly,
 Izay fatratra tokoa,
 Fa he ireo voninkazo
 Mamerovero ao,
 Toa nofy izay handazo,
 Andeha mba jereo.

[V2]
 Ireo izay mahavatra,
 Handray ny voka-tsoa,
 Ka tena tsy hahantra
 Tsy reraka tokoa ;
 Jereo ireo taninketsa
 Mampanantena voa,
 Fa soa tsy manam-petra
 Sy hanim-be tokoa.

[V3]
 Izahay, ry ray sy reny,
 No voninkazo koa,
 Hamerovero any
 An-tokantrano soa ;
 Tezao mba hihatsara
 Ny fofo-manitray ;
 Mba tsy harahin-tsento
 Ny toetra anananay.

[V4]
 Izahay no toy ny ketsa
 Ho vanona tokoa,
 Hamoa tsy misy fetra,
 Sy tena hahasoa;
 Ny fiangonantsika
 Hahita valiny,
 Ny fivavahantsika
 Handroso hery koa.</lyrics>
<author>I.D. Sankey</author>
</song>